4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Salamo 145 - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Miantra sy be indrafo ny Tompo

Tsy malaky tezitra fa be fitiavana

Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo

Be indrafo amin’ny asany rehetra

Ny Tompo no manohana izay rehetra ho lavo

Mampitraka izay rehetra mitanondrika

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo

Be fitiavana amin’ny asany rehetra



Resahina ny fanjakanao be voninahitra

Ary tenenina ny asanao mahery

Mba ho fantatr’olona ny asanao mahery

Sy ny fanjakanao be voninahitra malaza

Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao

Fa manome sakafo ara-potoana

Manokatra ny tananao Ianao

Ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra



Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra

Misaotra Anao ny mpivavaka aminao

Aoka izy hiventy fahatsiarovana

Ireo asa soa lehibe nataonao

Ary hihoby ny fahamarinanao

Aoka ny vavako hiteny fiderana ny Tompo,

Ny voahary rehetra anie hankalaza ny anarany masina

Mandrakizay, mandrakizay



Lehibe ny Tompo mendri-piderana fatratra

Tsy takatry ny saina ny halehibeazany

Ny Tompo dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy

Dia izay miantso azy marina tokoa

Manao izay irin’ny manaja azy ny Tompo

Ary mihaino ny taraina ka mamonjy,

Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy

Ny olon-dratsy kosa aringany avokoa



Feony: ROBERT

Tonony DIKANTENY IOMBONANA ETO MADAGASIKARA

Partager salamo 145

Commenter salamo 145

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite