4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lanitra sa izao tontolo izao - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Tantara iray no ho lazaiko anao

Ka ataovy toy ny voankazo an’ala

Ny lanitra sa izao tontolo izao

Ianao ihany no mahalala

Raha eto isika amin’ny andro anio

Tandremo tsara ny hadalana

Tsarovy tsara sy tadidio

Ny lanitra ihany no hiafarana

      Ny fiainana eto no tiako hambara

      Ka samia isika mihaino tsara

      Mba tsy ho nenina any am-para

      Eritrereto diniho tsara



Inona moa ny any an-danitra any

Raha izaho aloha dia aoka ho eto ihany

Jereo anie f’izay lasana any

Dia lasa nivadika vovo-tany

Ireo milaza ho mpivavaka aza

Henoy anie ho lazaiko anao

Ny fomba fisainany sadasada

Tsy misy marina ka ialao

      Andavan’andro izy tena mpiady

      Toa mifamono sy mifamely

      Dia mody bonaika amin’ny Alahady

      Ka mandrbireby  amin’ny toriteny

Izahay tanora mba te-hidola

Terena hamonjy ny Eglizy

Fotoana azo itadiavam-bola

Laniana ianarana katesizy

Raha handany andro amin’izay Diakôna

Tandremo kely mba tsy hanenina

Tsy aleonareo ve mijery baolina

Na mampiady mason’ny dobla enina

      Raha fiadanana no zahana ô!

      Aleoko ihany mijanona eto

      Ity tany ity sarotra ialana ô!

      Fa mamiko loatra ka aoka ihany.



Aza-fady anie ho lazaiko anao

Raha ny eto an-tany didniho tsara

Dia fandalovana tsotra izao

Ny lanitra ihany no hiafarana

Na zovy milaza ho manam-bola

Tsy nahavidy ny ainy fa lasa ihany

Izay maty anie tsy afaka nitondra

Ranomaso sisa dia izay ihany

     Nandany andro niadaladala

     Efa ho faty izay vao mipitrapitra

     Nankaiza ianao Tompo malala ô!

     Aza avela ho any amin’ny fiainan-tsy hita





Tanora andrin’ny firenena

Tsy mahita vola mba hidolana

Indrisy fa lasa mivaro-tena

Ny sasany lasa any am-pigadrana

Matoa ho raim-pianakaviana

Zaza any an-trano tsy mihinan-daoka

Ny vady mivesatra fahoriana

Izy eny an-tsena misotro toaka

       Toa lainga ianao raha hijanona eto

       Ka eritrereto diniho tsara

       Fa malama maina ka mampisento

       Ny lanitra ihany no hiafarana



Na zovy na zovy miaina eto an-tany

Tsarovy

Tsy misy mijanona mandrakizay

Fa mitovy

Mandalo miserana foana dia lasa

Ny aina

Izay nihevi-tena fa hijanona eto Niala-maina



Ny lanitra ihany no tena fodiana

Namako ô!

Fa ny eto dia sento sy fitomaniana

Tandremo ô!

K a fidio tsara ny lalan-kombana

Ry havana ô!

Tsy ety fa ery re ny tany Kanana

Sambatra ô!







RAKAZY




Partager ny lanitra sa izao tontolo izao

Commenter ny lanitra sa izao tontolo izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite