4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nitsangana ho antsika ny tompo - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Aza-fady aminao izay mihaino anio

Fa hilaza tantara aho ka tadidio

Ilay fahafatesana no indro lefy

Ka ny Tompo nitsangana ho mpandresy

Ho famonjena izao tontolo izao

Ka henoy kely ange izao tantara izao



O! isa e! O! isa

Efa isan’ireo voavonjy ianao

Ka ny toetra tsy mendrika re ialao

Efa voaisa ny andro ahavelomanao

Ka ajanony ny ratsy izay tsy fanao



O! roa e! O! roa

Roahy ny devoly fandrava laka

Tohero sakano aza avela hanjaka

Rohizo amin’ny tady handadilady

Aronjony avarino mankany an-kady



O! telo o! O telo

Teneno ireo mbola misalasala

Fa ny tompo Andriamanitra mahalala

Izay ataonao ety tsy mba misy miery

Avo  toerana Izy io fa ambany fijery



O! efatra e! O! efatra

Nanafatra antsika i kristy

Ny olombelona aoka hifankatia

Tiavo ny namana itokiana

Na ny fahavalo aza tsy azo ariana



O! dimy e! O! dimy

Dinidiniho ka hevero tsara

Fa voalaza amin’ireo Filazantsara

Ireo didy napetrany ho antsika ety

Ka samia re mitandrina tsy hania



Ref:

Nitsangana ho antsika ny Tompo

Voasasany ny fo izay maloto

Ry Havana malala ô!

Ny Tompo anie ka tsara

Ka indro miantso antsika izy androany

Raha toa ianao tsy mihaino an’izany

Indray andro any ô!

Hanenina ihany







O! enina e! O! enina

Aneneno ny ratsy efa vitanao

Mibebaha mangataha amin’ny Tompo izao

Ho fafany ny heloka vitanao

Aza miandry ny ampitso sao ho neninao





O! fito o! O! fito

Fitiavana mandrakizay doria

No nomen’i Jesosy Kristy

Na ny rany aza efa narotsany

Hamonjeny antsika izay zandriny



O! valo ô! O! valo

Fahavalo efa resy anie satana

Voageja voafatotra sy voatana

K’ivavaho mba ho azonao ilay Kanana

Samy ho any avokoa  k’aza mihanahana



O! sivy ô! O! sivy

Aza kivy na ketraka mitsangana

F’efa miandry ny Tompo any an-tanana

Mahereza rahavako mihomana

F’efa akaiky ny andro izay hiaingana



O! folo ô! O! folo

Izay mifona  dia efa voavela heloka

Ka tandremonao indray sao miova hevitra

Tazano ny lanitra ka banjino

Ireo teny no meny aza misy hadino







RAKAZY

Partager nitsangana ho antsika ny tompo

Commenter nitsangana ho antsika ny tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite