4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aoka aloha! aoka itsy! - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Zovy no tsy mahalala ô!

Fa sarotra ny miaina ety?

Hendry ianao fa tsy adala ô!

Ka aoka re! aoka itsy!

Sao lavo efa tsy afa-miala ô!

Vao hianatra hifankatia



Azafady aminao izay mihaino

Aza tsiny aminao izay mitazana ô!

Tena tiako an’ianao sombinaina

Ka meteza hatoroko lalana

O! ô! ô!!

Meteza hatoroko lalana ô!

Efa maro ireo mpifankatia

Nivoady fa hoe ho doria

Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!

Ny efa vita aza mbola narodana ô!

O! ô! ô!

Ny efa vita aza mbola narodana ô!



Ho anao mafanafanan’ny fitia

Ka te hamboraka,

Miankavanana, miankavia ianao

Ka te hiantoraka

Tandremo fa saro-pady anie ny tena

Aza miantoratora-poana

Seminera aloha vonjena re

Sao midona amin’ny vody laona

Ry mpivady izay misanehaka

Efa anan’ny lazon’ady

Ny vao tsy manitra re no ratsy

F’ianareo efa galy fantsy

Miala maneno akoho

Maneno alika indray vao mody

Tsy te-hahita tava ilay vady

Ompaina iantsoana tody

Efa leon’ny mifamaly

Te hamonjy tribonaly

Sao tsy hay re ny nitia

Aoka aloha re! aoka itsy!

Meteza kely handini-tena

Ka andeha re vonjeo ny seminera



Azafady aminao izay mihaino

Aza tsiny aminao izay mitazana ô!

Tena tiako an’ianao sombinaina

Ka meteza hatoroko lalana

O! ô! ô!!

Meteza hatoroko lalana ô!

Efa maro ireo mpifankatia

Nivoady fa hoe ho doria

Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!

Ny efa vita aza mbola narodana ô!

O! ô! ô!

Ny efa vita aza mbola narodana ô!



Ilay Ray fanimpanina

Tsy mba mety milamin-tsaina

Ny reny tsy mihinan-kanina

Satria ilay sombinaina

\"Je t’aime\" fotsiny ihany dia lasa

Hiverina ve sa asa?

Toa namelona zana-baratra

Kivikivy satria voaratra

Aoka kely re! aoka itsy!

Antsoy ireo mpifankatia

Malakilaky f’izao no LERA

’Ndeha re vonjeo ny seminera



Ry Dada sy Neny, zoky sy zandry

Ry manam-panahy tsy tafandry mandry

Tandremo mahazo vahana ny ditra ô!

Ny tsara tadiavinao indray no ritra

Mitanjozotra ny tanora

Mamonjy \"bal\" sy foara

manala azy vita baka

Nefa betsaka no voabaraka

Sarontsaronana amin-kirahira

Ka firifiry moa no voaviravira

Efa hatry ny ela izany, tany aloha tany

Izay lavo ihany anie no mihosina amin’ny tany

Raha tsy te ho maty hena

Seminera aloha vonjena

Ka aoka re! aoka itsy!

Vonjeo ity seminera ity.



Ireo vazaha milaza ho olo-mandroso ô!

Tsy miakatra ireny fa mikororosy ô!

Ny lehilahy indray no mifanambady

Ekena sy atao ny mariazy

Ny vavy koa dia toy izany

Tena loza amin’ny tany

Ny rainy ve?... i Caroline

Ny reniny?...i Jacqueline

Loza ity... fa dia naninona?

Seminera ihany aloha banjinina



Fitiavana e! Fitiavana!

Fitiavanae! raha voakolokolo

Mamy be

Fitiavana e! Fitiavana!

Tandremo fa misy izy ireny

\"Cadeau empoisonné\"







Tonony: Pasteur RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa

Feony: RANAIVOSOLO William Casimir

Nandrindra: RAKAZY

Hira fanentanana: SEMINERA VONJEO NY FIANAKAVIANA 2005

FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO

Partager aoka aloha! aoka itsy!

Commenter aoka aloha! aoka itsy!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite