4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ireo voa izay nafafy - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Ny tenin’ny Tompo

No indro averiko eto

Momba ny toetrantsika

Izay milaza ho mpivavaka kanefa indrisy

Manalasala

Manan-tsaina maloto

Manan-tsofina afaka hihaino,ianao ka henoy tsara



Ry dada malala ô! ry neny tsy foiko!

Ireo teny natao re,lasan’aiza daholo

;,.;O!ô!avelao izy ireny hamokatra f’aza hosihosena;.,;

Razokiko izany ô! ry zandriko tiana

Ireo voa izay nafafy,ikezaho mba hampitsiriana

;,.;O!ô!tehirizo izy ireny ho ao anaty fa aza ariana;.,;



Be ireo voa nafafy

Tsy mba afa-mitsiry

Diso toerana mantsy

Voafafy amin’ny tany tsy afa-mamokatra

Ka very maina

Tsy mamokatra akory

Manan-tsofina afaka mihaino ianareo ka henoy tsara



Raha mpivavaka ianao,no mandre ny tantara

Aza-fady diniho,ka tandremo tsara

;,.;O!ô! aza avela ho very eny an-dalana

Na ambonin’ny vato;.,;

Fa mba karakarao,dia koloy mba haniry

Aza atao kilalao,aza avilivily

;,.;O!ô! aza avela ho tsindrohan’ny vorona

Na voagejan’ny tsilo;,.;



Ireo teny nalefa ho fampianarana ô!

Nomena ho antsika isam-baravarana

Tandremo sao vey sy diso lalana ô!

Ndrao zava-doza raha tsy voatandrina



Misy mantsy ireo lasa mivavaka ihany amin’ny alahady

Tazano anefa f’ireny no tena mpangala-bady

Ireo zaza madinika,loza fa zary nahita angano

Herinandro rangahy no tsy hita nankaiza

Tsy nody an-trano

;,.;Mba nafafy fa lasa tamoron-dalana ô!

Ka voahosihosin’ireo mpitazana;,.;



Nampianarina ihany hahay sy ho tsara fitondran-tena

Nefa indrisy fa lasa olon-dratsy mpanetry ny firenena

Dia mikaroka tany malemy hanorenana ny fangady

Be kabary sy mpanao resaka ambonin’ny vavahady

;.,;Vao nitsiry dia niondrika sy nandazo

Mba nafafy ihany ireny fa tamim-bato;,.;



Nantenaina ho andry iankinan’ny maro sy ny vahoaka

Toa nivadika "hôrera"nanjary mpiloka sy mamo toaka

Ireo ondry nandrasana lasa nivarina any an-kady

Tsy mahalala fiangonana intsony raha tonga ny Alahady

;,.;Fa naniry niaraka taman-tsilo ô!

Ka voageja voafatotra sy adino;,.;



Fa tsy misy takona tsy aseho

Raha ny eto an-tany

Izay ataonao rehetra dia ho tazana eo

Ka tandremo ihany

’Ndrao tratran’ny nenina vao hisento

Sy hitomany



O!ô! ny olo-marina mino ka manantena

Raha ho avy ny tompo na manana aza

Tsy very ny anjara fa mbola homena

Izay tsy manana kosa tsy maintsy hangaina

Ny an-tanany aza dia mbola halaina



O!ô! raha ho avy ny tompo indray andro any

Ireo izay mamafy amin’ny tany tsara

Dia lavitra sento sy ny tomany

Ry namako eto tsarovy tsara

Na ho ela na ho haingana ho tonga izany



Mbola ho avy izy e!Mbola ho avy izy e!

Mbola ho avy izy e!

K’aza malahelo

Izay mamafy ny tsara

Tsy mba very ny anjara

Mbola ho avy izy e!

K’aza malahelo



                



                Tonony sy feony: RAKAZY

               Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

               FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO






Partager ireo voa izay nafafy

Commenter ireo voa izay nafafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite