4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola misy tsy mahafantatra - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Na dia efa notoriana aza re ny lazany

Ka naely eran-tany ireo asa vitany

Na mitahy isan’andro aza ka manampy izy

Mbola misy tsy mahafantatra ny anarany (2)



Na nanolotra ny ainy aza mba halatsaka

Na handatsaka ny rany mba ho fanavotana

Na mametraka tso-drano feno fiadanana

Mbola misy tsy mahafantatra ny anarany



Isan’andininy:

Tompo ô!

Aiza ianao?

Mbola misy tsy mahafantatra ny anarana (2)

Na midera mankalaza anao aza izao rehetra izao (2)

Ry Tompo ô aiza ianao;

Fa mitady anao izahay?



HND

AMBOHIPO

Partager mbola misy tsy mahafantatra

Commenter mbola misy tsy mahafantatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite