4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hanitra nentin-drazana - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Hilalao e ! hilalao a ! (2)

Hilalao e ! no alehanay , hilalao a!

Ka tianao ve ny mba ho namanay, hilalao a!



Raha ny Hanitra Nentin-Drazana

No lazaina aminao mitazana

Dia tsy mba mpanavakavaka

Folo taona no niasany

Namafazana tamin’ny tany

Tsy kivy fa mbola miasa hatrany



Toriteny sa fetim-bavaka

Toro hevitra sy anatranatra

Vonona lalandava izy

Fanentanana sa lanonana

Fetim-bokatra any am-piangonana

Sanatria aminay ny hitsoaka adidy.



Ny kabary sy ny hiragasy

Dia hainay e!

Vako-drazana Malagasy

Dia hainay e!

Tsy mba fomba nalaina tahaka

F’efa lova navelan-drazana

;.;Ka zaraina aminao mitazana

Izany no Hanitra Nentin-drazana;.;



Hirahira  sa kilalao

Hainay e!

Ka ambarako aminao

Fa hainay e!

Izahay tsy mba menamenatra

Na any an-kafa na eto an-toerana

;.;Izany no Hanitra Nentin-Drazana

Ka lazaina aminao mitazana;.;



      HANITRA NENTIN-DRAZANA

           FAHA FOLO TAONA

                      2004

Partager hanitra nentin-drazana

Commenter hanitra nentin-drazana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite