4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andeha hiova fo - HANITRA NENTIN-DRAZANA

1- Raha tonga ny fetin’ny niavian’ny Tompo

    Sy  taom-baovao

    Faly ravo daholo ny olon-drehetra

    Lazaiko anao

    Ao ’reo mitotorebika, revo mandihy

    Na koa milalao

    Na ny akanjo fitafy aza niala ny teo

    Fa nahazo vaovao

    Dia mamonjy fiangonana

    Handeha mba hidera ny Tompo

    Mba hifona sy hibebaka

    Hanadio ny fo feno loto

    Mitaraindraina

    Manandratra vavaka sy mitalaho

    Ry Jesosy Tompo ô!

    Raiso fa tonga ity zandrinao



Isan’andininy:



Tompo ô! Tompo ô!

Tsy lamba sy akanjo

Tsy vola sy harena, kiraro vaovao

No entinay midera sy handeha

Hanome voninahitra anao

Fa fo feno otan’ny zaza nania

No inty mitalaho

Ny andron’ny fiainanay sisa

No indro atolotro anao



Tompo ô! Tompo ô!

Aza avela hangaina sy hipitrapitra

Izahay zandrinao

Na tsy mendrika aza, fa zaza maditra re!

Avelao

Ny fonay maloto efa vonon-kiova

Raiso hanjakao

Efa tontan’ny ota sy ditra natao

Ka soloy ho vaovao



2- Hatrizay dia nizotra

    Nandeha amin’ny lalana tsy izy ô!

    Tena ana sy reraka ankehitriny

    Ka dia kivy ô!

    Nanantena hiakatra

    Kanjo nanjary nidina

    Mba naniry ny hiarina

    Indrisy fa nitsingidina

    Fahazarana sisa

    Izany mandeha mivavaka

    Ny ao anatin’ny fo feno avona

    Sy mpanavaka

    Dia ny akanjo no amboarina,

    Ho tsara ety ivelany

    Nefa re bibilava mpamitaka,

    Roa ny lelany.



3- Raha ho avy ny Tompo

    Andeha re hidera namako ô!

    Amin’ny fo te-hiova

    Sy mahay mamela havana ô!

    Fa tsy misy marina isika

    Mpanota avokoa

    Ka, andeha re hibebaka

    Hiaraka hanadio ny fo

    Hiaraka isika

    Ka andeha re hifampitantana ô!

    Jesosy Tompo no tonga

    Hitari-dalana ô!

   Ny rano eny Ikopa no mavo

   Raha tonga havana

   F’Andriamanitra mamindra fo

   Tena be fitiavana



                                  



                                 RAKAZY

                         RODORODO 2004

                  HANITRA NENTIN-DRAZANA

Partager andeha hiova fo

Commenter andeha hiova fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite