4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Renao ve? - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Renao ny feo miantso anao hoe

Modia sombinaina?

Renao ve injao fa manako

Na ny alina,na ny maraina

Toa feo malahelo

No injao miangavy sy manambitamby

Modia f’aza ela

Izaho Rainao efa sasa-miandry

  



Ref:Aza ela fikenona ianao re ry aiko

    Sao dia tratra hariva

    Ny lalan-kodiana toa lavitra akaiky

    Ny andro madiva

    Ireo ratsy misakana ny dianao

    Toa tsy mba misangy

    Modia f’aza ela

    Izaho Rainao efa sasa-miandry



Renao ve ny feo mitomany

Mangataka ny famelana

Ny Tompo no indro mifona ho anao

K’aza odianao adala

Efa olo-madio ianao

Ka ialao re ny loton’ny tany

Modia f’aza ela

Izaho Rainao efa sasa-miandry



                    RAKAZY

         Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

         FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO

Partager renao ve?

Commenter renao ve?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite