4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alana aloha ny tsiny - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Alana aloha ny tsiny,fa sao dia mahavoa

Izany no fomban’ny ntaolo teo aloha,

Ny lalana voasoroka natao arabe

Ma tsy ho voan’ny tsilo ireo olona mandeha



Avadika ny kasety

Mba hiankina amin’ny vaventy

Ka raha misy teny voaray

Aoka tsy hakasika anay

Fa raha misy zavatra kasaina

Manahirana ny saina

Misy tenin-drazana manao hoe:aza misy ny sampona



Misy resaka tiana hambara

Ianareo vahoaka mihainoa tsara

Raha lavitra ianao,manantona aty

Ampandrio ary ny sofina ankavia

Fa resaka hanitra kely ity



Marina e! marina e!

Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako



Ny sasany ao an-tanana

Voan’ny sery mahery

Ka tsy tonga izy mba hijery

Ny fotoam-bita hoy ny zoara tsy mahaleo ny sampona



Raha nisy hono zazalahy

Nankany amin’Ingahy mpimasy

Dia izao no teny mba nataony

Ny anton-diako aty ange r’ingahy mpimasy

ka hitsapa vintana

Na ny vintana no tsy tsara

Na misy zava-manarona

Fa in-dimy nanambady anie aho r’ingahy mpimasy

fa nilaozan’ny olona



Marina e! marima e!

Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako



Dia nitsangana ingahy Randria

Dia noraisiny ny valiha

ka izao no teny nataony:

Tsy ny vintana no tsy tsara

na misy zava-manarona

fa inty misy kely mitangozana

Ianao tsy mihaino tenin-drafozana

Tetik’adinao fitonjato kilao

Ny hakamoanao misy taonina iray

ka mieritrereta



Marina e! marima e!

Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako



Ho faranana ny tantara

Fa raha lava loatra mangidy fara

Ny tso-drano ataoko anareo

Na Alahady na Alatsinainy

Ho salama vatana anie ny aina

Na talata na Alarobia

Tsy ho azon-tsampona sanatria

Na Alarobia na Alakamisy

I losifera ho foana tsy hisy

Na Zoma na Asabotsy

Jesosy Tompo handrotsirotsy



Akanga niditra ny ala

Zovy indray no tsy hiala

Veloma masina,veloma indrindra

Fa amin’ny ho avy ’zareo manao misimisy

Tsy satrinay anie ny handao anareo

Fa ny andro ’zareo mandroso hariva

Veloma masina,veloma indrindra

Ny fahasalamana izay no irina

Akanga niditra ny ala

Zovy indray no tsy hiala

Veloma masina,veloma indrindra

Fa amin’ny ho avy ’zareo manao misimisy



                    Tonony sy feony:DÔLY

                 Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

                 FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO


Partager alana aloha ny tsiny

Commenter alana aloha ny tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite