4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira O! mandrosoa - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Ravorona irony  ô !

Ndeha ho aiza ianareo

No toa misidina ambony

Aza-fady lazao

Raha ho any an-tanàna

Etsy kely hafarako

Izao teny izao

Na dia lavitra anie

Izany lalan-kaleha

Mivonona zareo mba handeha

Roy e! lahy e!

Aza kivy na ketraka

Herezo ‘zareo ‘zany dia

Roy e! lahy e!

Tsy maintsy ho tafita

Izay hihemotra atao sanatria



Mpandalo irony ô!

Etsy hafarako ianao

Aza adino vimbino

Izao teniko izao

Ilazao ireo havako

Any an-tanàna

Fa roso ‘zareo ‘zany dia

Izay mivonon-kandroso

Tsy misy mahasakana

Ny hihemotra atao sanatria

Roy e! lahy e!

Aza kivy na ketraka

Herezo ‘zareo ‘zany dia

Roy e! lahy e!

Tsy maintsy ho tafita

Izay hihemotra atao sanatria



N a inona zava-manakatsakana

        O! mandrosoa

Ny Ray ao ambony no hitari-dalana

       O! mijoroa

‘Ndao hifampitantana hiombon’aina

      O! mandrosoa

Izay vonon-kandresy tsy miala maina

      O! mijoroa

O! roy e, ô! Mandrosoa  

O! lahy e, ô! Mandrosoa



Raha tojo izay namana tsy manjary

        O! mandrosoa

Jesosy Tompo ka tsy manary

        O! mijoroa

Raiso ny apinga tapaho ny hevitra

        O! mandrosoa

Ka aza mba naman’izay mihemotra

        O! mijoroa

O! roy e, ô! Mandrosoa  

O! lahy e, ô! Mandrosoa



Ny tanantsika ampifandraiso

        O! Mandrosoa

Tohizo ny lalana izay no baiko

         ka mijoroa

Sikino ny hery jereo ny lanitra

        O! mandrosoa

Mitantana antsika Andriamanitra

         ka mijoroa

O! roy e, ô! Mandrosoa  

O! lahy e, ô! Mandrosoa



F’izay tsy mandroso tsy maintsy mihemotra

K’aza misalasala tapaho ny hevitra

Mitsangana fa aza mangozohozo

Hiaraka isika mirodorodo

        O! mandrosoa (4)



Haingana fa aza misalasala

Aza miandry ho latsaka an-katerena

Aza mitazam-potsiny fa avia

Ho tafita isika raha miara-dia

        O! mandrosoa (4)



Masoandro miposaka mibaliaka

No manazava ny tanintsika

Tavela eo ianao raha tsy miezaka

K’aza mety no naman’izay mihemotra

       O! mandrosoa (4)

                

                               RAKAZY

                   Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

                   FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO

Partager o! mandrosoa

Commenter o! mandrosoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite