4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manimba anao ny toetra ratsy - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Manao aza-fady aminao mihaino

    mba henoy ange!

Izao re no hafatra ataoko anao

    ka henoy ange

Raha mpivavaka ianao no mankamin’ny

    lalana tsy marina

Dia tsy ho afa-maina amin’ny

    fitsaran’Andriamanitra

Raha anio no mibebaka mitalaho

Voatanisa avokoa izao rehetra izao

Mifona mivalo sy mandohalika

Nefa ny ampitso ihany dia mifangarika

Na dia hibebaka hitaraina

Ny vavaka ataonao very maina



Fa maro ireo olona tena mpihatsara

        ivelatsihy

Miroso mankany amin’ny afobe izao

        ny lalany

Tsy menatra akory ny Biboly

      izay filanjany

Fa miziriziry amin’ny fomba ratsy

       izay fanaony

Fa mody mivavaka ny Alahady

Nefa ny Alatsinainy mangala-bady

Mazava ny andro Kristiana

Fa vao maizimaizina mody fanina

Madio ivelany raha jerena

Fa ny ao anatiny mahonena.



   O!ray olona ô!

    Ahoana re

   O!ray olona ô!

     Ahoana re

O! ry vahoaka manatrika eto

   mba henoy ange

Ny toerana ankoatra ny fiangonana

    manimba anao ireny

Ny fifankahalana sy fialonana

    manimba anao ireny

Ny sampy mamily mankany an-kady

    manimba anao ireny

Ny madio ivelany ny Alahady

    manimba anao ireny



O!ray olona ô!

Tsy misy olombelona tonga lafatra

       isika eto

Fa samy mpanota sy diso lalana

      ka miverena

Andriamanitra anie ka tsy mba mivadika

        rahavana

Na maditra aza isika dia mbola avelany

        mibebaka

Efa nomeny antsika hamonjy antsika izao

      ilay Zanany

Ka ny fonao mibebaka mba hadio

     no sisa andrasany.



Ry Kaky sy Neny ô!Ry zoky sy zandry

Ity re no resaka mba haroso raha sitrakao

Mamitaka malama,ny fiainana eto an-tany

Manimba anao ny toetra ratsy ka avelao

Ny vola sy ny harena,

Mamiratra jerena.

Kanefa tadidio,

Ny toetra ratsy hivilio

Raha sarotra ialana,

Ny ziogan’i satana

Baiboly no vimbino,

Ny lanitra banjino

Raha trotraka ny tena,

Ka mila famonjena

Aza misalasala,

Ny Tompo jerena.

              



              Tonony sy feony:RAKAZY

            Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

            FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO




Partager manimba anao ny toetra ratsy

Commenter manimba anao ny toetra ratsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite