4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza atositosika - HANITRA NENTIN-DRAZANA

1° Raha nakarin’ny vintana ianao re sombinaina

     Dia aza miavonavona

     Aza atositosika ireo havana mahantra

     Tolory fitiavana

     Raha nanolotra ny ainy anie ilay Tompontsika

     Tsy mba nanavakavaka

     Ny maditra sy ny meloka aza ts’isy izay nariany

     Notadiaviny ka avotra



2° Jesoa Ilay Mpiandry tsara no indro miantso antsika

    Mba hifankatia ô!

    Izy irery re no lalana ho famonjena antsika

    Aza mihemotra avia ô!

    Tsy mba misy fanavahana mitovy anie isika

    Mandrosoa ka matokia ô!

    Tsy misy ho voatosika na very sanatria

    K’aza miahotra modia



4° Natolony ny ainy ho ahy sy ho anao

     Fitiavana an’izany e!

     Nalatsany ny rany ho an’izao tontolo izao

     Ho menaky ny tany e!

     Napetrany ny hafatra fony izy raha nandao

     Mifankatiava hatrany ô!

     Moa ve nihaino izany izaho sy ianao?

     Mba mihevera ihany ô!



3° Raha napetrany ho Mpiandry hanohy izany isika

    Tsarovy re tsarovy ô!

    Aza ahilikilika ireo ondry izay maditra

    Arovy ka arovy ô!

    Aza ilaozana milefa na avela ho kamboty

    Tantano ka vonjeo ô!

    Mbola mety hanao kambana anie ‘reo ondry botry

    Diniho ka mba jereo ô!







                                                  RAKAZY

                                                  Avril 2004

Partager aza atositosika

Commenter aza atositosika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite