4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiavo gasikara - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Raha ity tanintsika no andeha ho tantaraina

Be ny zavatra ambara sy azonay lazaina

Ka mba eritrereto sy saintsaino tsara

O! ô! Tanindrazana iombonana I Madagasikara



Ilay lova napetraka mba hiraisantsika

(Indrisy e!) Voasaraky ny hevitra sy ny pôlitika

Ka andeha re hiezaka samy hikarakara

O!ô! mba ho gasy miombona tsy mizarazara



Raha firenena no tantaraina ô!

Isika dia manana tsy zaraina

Tsy amidy vola tsy atakalo ô!

O! ô! K’aza avela ho rombahin’ireo mpandalo

Koa andeha re hiezaka sy hifanarako ô!

Mba hiaraka miaina amim-pitiavana ô!

Tsy hifandrafy na hifanavako ô!

O! ô! Ka na fotsy na mainty dia ho mpihavana



Na avy eto anivo na avy any anindrana

Malagasy izy ireny

Na olona manana na sahirana

Malagasy izy ireny

Ireo mpifoha maraina mankeny an-tsaha

Malagasy izy ireny

Na ‘reo tsy manam-bola ka tsy rangahy

Malagasy izy ireny

Na dia mpilanja angady be malabary

Malagasy izy ireny

Raha tsy misy an’ireny tsy mihinam-bary

Malagasy izy ireny

Ireo olona ambony fonkisionera

Malagasy izy ireny

Tena olona ilain’ny firenena

Malagasy izy ireny

Ireo izay nianatra taratasy

Malagasy izy ireny

Ilay hitana ny lakilasy

Malagasy izy ireny

Mba hitoviana amin’ny any an-dafy

Malagasy izy ireny

Ireo mpikarakara ny fivavahana

Malagasy izy ireny

Ilaina izy ireny ho mpanoro-lalana

Malagasy izy ireny



Koa andeha re hiezaka sy hifanarako ô!

Mba hiaraka miaina amim-pitiavana ô!

Tsy hifandrafy na hifanavako ô!

O! ô! Ka na fotsy na mainty dia ho mpihavana



Raha ity tanintsika no andeha ho tantaraina

Be ny zavatra ambara sy azonay lazaina

Ka mba eritrereto sy saintsaino tsara

O! ô! Tanindrazana iombonana I Madagasikara



Sao sodokan’ny hafa mamiratra sady tsara

Dia ilaozana handositr’i Madagasikara

Ny akoho mavondrazana tsy atakalo akanga

O! ô! Tsara soratra ireny fa tsy azo hiafarana



Misy firy ‘reo zanaka Malagasy

No nalefa nianatra tany an-dafy

Mba hifehy ny fahaizana taratasy

O! ô! Nefa isika toa mivarina kilasy

Nantenaina hiankinana any aoriana

Hialana amin’ty ngidim-pahoriana

Nefa mahatalanjona mahavariana

O! ô! Fa i Gasikara toa tratra aoriana



Misy maro ireo lasana Dokotera

Mba nankaiza izy ireny

Ao koa ireo nianatra Injeniera

Mba nankaiza izy ireny

Ny sasany nanjary Pasitera

Mba nankaiza izy ireny

Marobe no nanjary Direkitera

Mba nankaiza izy ireny

Maromaro ireo lasa mpanao afera

Nefa gasy izy ireny

Norebireben’ny fitiavan-tena

Nefa gasy izy ireny

Dia nanjary mpivarotra firenena

Nefa gasy izy ireny

Ny an’ny hafa banjinina sy jerena

Nefa gasy izy ireny

Ny an’ny tena hamavoina hosihosena

Nefa gasy izy ireny



Koa andeha re hiezaka sy hifanarako ô!

Mba hiaraka miaina amim-pitiavana ô!

Tsy hifandrafy na hifanavako ô!

O! ô! Ka na fotsy na mainty dia ho mpihavana



Tiavo ny taninao anie fa aza ariana

Tsy homeny ny an’ny hafa re fa aza variana

Raha menatra milaza hoe gasy

Komplekse, izay ‘lay ratsy



Raha manja ny any ivelany ny eto ko tsara

Ilaozy ny tsara soratra e! jereo Gasikara

Raha mety ny any dia hifindra lasy

Komplekse izay ‘lay ratsy



O! zama, ô! Zama

Ny hafatro aminao anie dia aza komplekse

O! zama, ô zama

Tiavo i Gasikara anie ka aza komplekse



RAKAZY

Partager tiavo gasikara

Commenter tiavo gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite