4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anatra sarobabay - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Alana aloha ny tsiny, fa sao dia mahavoa

F’izany no fomban’ny  ntaolo teo aloha

Ny lalana voasoroka tsy sarotra aleha

Na osa na matanjaka, dia ho afaka mandeha



Dia atomboka ny tantara

Ianareo vahoaka mihainoa tsara

Na eto aloha re na any afara

Aza matahotra ianao ts’isy ho diso anjara



Fa ny hendry ihany no anarina

Ny olo-marina no atao ho fianarana

Mba fadio re ny fihetsika tsy voahevitra

Anatranatra ity k’aza mora tezitra



Marina e ! marina a !

Marina tsy misy lainga izany teny izany re rahavako ô!



Fa raha nisy hono tovolahy

Mba nambinina noho ny hafa

Dia nisetrasetra sy sahisahy

Nanamavo ny ory, nanjakazaka

Fa nahangona be dia be

Dia nieboebo, nirehareha

Ilay rainy aza niàlany

Na ny reny niteraka nadakany

Dia nampakatra feo, eran’ny tanàna

Nampidera fananana sy hadalana

Ny efa be eo an-tanana tsy nampionona

Ny an’ny namana indray aza no nahorona



Marina e ! marina a !

Marina tsy misy lainga izany teny izany re rahavako ô!



Ireo mba nitady fihantrana

Niatahana lavitra nialàna

Ireo olona nitaraina

Natosi-boho tanana niala-maina

Ny hany havana dia ny vola

Ka nandany andro nandeha nidola

Izay ampitso tsy ahoako izany

Ny hitako aloha dia ny anio ihany

Na mahantra aza ireo mpiray tampo

Efa anjarany ny azy atao ahoana moa

Honahona ny fiainana tompoko ô!

Ka raha latsaka ianao tsy adidiko ô!



Marina e ! marina a !

Marina tsy misy lainga izany teny izany re rahavako ô!





Ho tohizako ny tantara

Atongilano ny sofina henoy tsara

Toy ny saonjo eny an-tsaha misy mamarara

Ity tantara niseho toa nangidy fara

Ireo fananana be dia be

Izay nampidola nirehareha

Toy ny rano eny an’ony la mety ritra

Tena tapitra fongana ts’isy hita

Tonga saina no nihafarany

Nigogogogo, nihatatra nitomany

Ireo sakaiza sy namana eo an-tanàna

Toa nilefa sy nihataka tsy voatàna



Akanga niditra ny ala, niandry ny oran-kisava

Vao tratry ny haizina ô! ‘zay tsy azo laizina

Nenina sisa azo atao, solafaka ity havanao

Mifona aminao re r’ikaky ô! Mivalo aminao  aho Neny ô!



Ny anatra omena re hono re roy ka sarobabay

Izay voany aza tezitra na mitaraina miovà amin’izay



Ny anatra omena tsipak’ombalahy, hoy aho e!

Mahavoa mahafaty izy io anie r’ingahy, hoy aho e!

Izay manao ditra ka tsy mba mihezaka, hoy aho e!

Manao tsingerim-panina amoron-tevana, hoy aho e!



Raha nakarin’ny vintana ianao sombinaina, hoy aho e!

Mba tsimbino ‘reo Havana, izay mitaraina, hoy aho e!

Aza manositosika ireo ondry botry, hoy aho e!

Aza asiana fiangarana, hitovy torosy, hoy aho e!



Ny anatra omena re hono re roy ka sarobabay

Izay voany aza tezitra na mitaraina miovà amin’izay



Tano ny fihavanana aza ariana re, hoy aho e!

Aza avalona fotsiny ny firaisan-kina re, hoy aho e!

Ireo hava-mahatratra tsy azo ialàna, hoy aho e!

Ts’iza f’ireo ihany no mbola hiafarana, hoy aho e!



Ny anatra omena dia sarobabay, hoy aho e!

Izay voany aza tezitra, samia mùandray, hoy aho e!

Andriamanitra Ray dia mijery midina, hoy aho e!

Izay langa famindra dia mitsingidina, hoy aho e!



Akanga niditra ny ala, niandry ny oran-kisava

Vao tratry ny haizina ô! ‘zay tsy azo laizina

Nenina sisa azo atao, solafaka ity havanao

Mifona aminao re r’ikaky ô! Mivalo aminao  aho Neny ô!





                RAKAZY

Partager anatra sarobabay

Commenter anatra sarobabay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite