4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Genesisy toko voalohany - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Raha vao jerena ity tany ity

Be zava-miafina sy toa manavia

Ireo zava-boahary izay miriaria

Asan’ny Tompo ilay tena tia

O! mba henoy

Ho lazaiko anao

Avy aiza moa

Izao rehetra izao

Raiso ny boky fa ao ny tantara

Ny Genesisy na Fiandohana



Ry havako izay manoloana ô henoy

Ity tany diavina isan’andro tsy foy

Dia manana izay niandohany hatrany aloha

Fa zava-boaharin’ny Tompo avokoa



Velona isika miriaria finaritra

Na fotoana vitsy no azo na maharitra

Kanefa mba tadidinao va re avy aiza?

Diniho aza odianao tsy hita re sakaiza



Na ho aiza ianao

Dia fantaro izao

Ny Tompo Andriamanitra no nahary

Izao tontolo izao



Teny indraim-bava nataony hoe: Misia

Dia nanana andro mazava isika ety

Nisaraka ny andro sy ny alina oadray

Nantsoina hoe: andro voalohany izay



Nodidiany sy noteneniny ka niavaka

Ny lanitra ambony nanjary habakabaka

Dia indro fa lasa nihataka tokoa

Izany no andro nataony faharoa



Ny tany sy rano ary ireo zava-drehetra

Samy voabaiko hanaraka ny fetra

Na hazo na zava-maniry dia indreo

Nitsiry tanatin’ny andro fahatelo





Na ho aiza ianao

Dia fantaro izao

Ny Tompo Andriamanitra no nahary

Izao tontolo izao



Ny haizina ambonin’ny tany tsy mba olana

Fa vitany koa ny masoandro sy ny volana

Ny kintana ambony jereo fa midorehitra

Izany no asan’ny andro fahaefatra



Dia niteny indray Andriamanitra nandidy

Maroa eny ambonin’ny tany koa ny biby

Ny vorona sy ny hazandrano koa tsy adino

Fa mariky ny andro nataony fahadimy



Raha isika olona kosa no jerena

Dia samy taranak’I Adama sy i Eva

Namorona antsika izy tsy mba nisy nenina

Fa asa nataony ny andro fahaenina





Na ho aiza ianao

Dia fantaro izao

Ny Tompo Andriamanitra no nahary

Izao tontolo izao



Aza-fady aho ry havako ô!

Aza-fady aho marina

Isika anie ka mpihavana e!e!

Fa mpiray firazanana



Isika rehetra izao

Etsy kely lazaiko anao

Voazaran’ny tokantrano

Nefa fototra iray ihany ô!



Na ny gasy na ny sinoa

Ireo karana sy ny hafa koa

Iray ihany no niandohana

Tsy iza izany fa iAdama



Aza-fady aho ry havako ô!

Aza-fady aho marina

Isika anie ka mpihavana e!e!

Fa mpiray firazanana



Na madama na ramose

Sao mihevitra ianao fa hoe:

Raha mba manana noho ny hafa

Dia haneso sy handatsalatsa



Iantrao ihany ireo mahantra

Mba tsaboy koa ireo maratra

Havanao ireo ka aza ariana

Sao ho neninao any aoriana



Aza-fady aho ry havako ô!

Aza-fady aho marina

Isika anie ka mpihavana e!e!

Fa mpiray firazanana



Manakoako atsy sy ary

Ny zava-doza amin’ity tany ity

Koa mitandrema tsara ianao sombinaina

Fa ny eto an-tany anie ka malama maina

Samia re mitandrina isika

Tandremo tsara sao dia mipika

Satana anie ka be pôlitika

Izay voatanany tsy afa-migiaka



RAKAZY


Partager genesisy toko voalohany

Commenter genesisy toko voalohany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite