4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manana faharetana amin'ny atao - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Ry havana izay vory eto

Inty ny teny mba raiketo

Matoa isika velona hatramin’ny anio

Dia sitrak’Andriamanitra

Ny ho kivy na ketraka dia tadidio

Fa lalana tsy marina



Fa maro ireo misalasala

Ny sasany aza mody adala

Tsy manam-paharetana amin’ny finoana

Ka voahozongozona

Dia mipenimpenina nony voadona

Ka fadiranovana



Ny sasany izany efa mivezivezy

Velon-taraina sy mitebiteby, marina ô!

Toa olona voahozona

Nikaroka ihany fa tsy ampy kle

Dia lasa namonjy an’i dadarabe marina ô!

Finoana mihozongozona

Nandohalika ihany izy isa-maraina

Manandratra vavaka sy mitaraina, marina ô!

Tsy nanam-paharetana

Tsy nisy tanteraka izay nokasaina

Dia niverin-dalana ka niala-maina, marina ô!

Indreo nivalaketraka



Manana faharetana ianao re rangahy

Ka reseo mora ny fakam-panahy

Reseo moramora izy ka aza manana ahiahy (3)

Izay rehetra hita toa tsara avokoa

Kanefa tandremonao Ramatoa

Manana faharetana ka, aza manana ahiahy (3)



Tanora ianao ka manantena

Ho mpanarina ny firenena

Manana faharetna amin’ny atao

Ka reseo ny sarotra

Fa be ireo fahavalo manenjika anao

Tandremo sao voatarika



Tsarovy tsara sombinaina

Izay resy anie ka miala maina

Ho lavo sy hanenina tsy afa-mijoro

Tsy afaka miarina

Ho potika sy rava ho voatorotoro

Aza hitako marina













Nihezaka mafy hitady ny soa

Nivavaka sady nanondrika loha,marina ô!

Tary am-piangonana

Nanantena hahazo izay nokendrena

Kanefa ao anaty be fitiavan-tena, marina ô!

Feno fialonana

Naniry ny hanana ka dia nitady

Kanefa tsy hitany izay mba ho vady, marina ô!

Niova izany lalany

Nihevitra mantsy fa tsy hisy mpitia

Dia lasa nampiasa ny ody fitia, marina ô!

Satana indray no namany



Manana faharetana ianao tovolahy

Aza mety ho resin’ny fakam-panahy

Fa reseo moramora izy ka, aza manana ahiahy (3)

Nomen’Andriamanitra endrik’anjely

Ka dia mitrakà re ry madimôzely

Manana faharetana ka aza manana ahiahy (3)



Na sarotra aza re ny zava-midona ô!ô!

Tano ka ifikiro ny finoana ô!ô!

O!O! Jereo ny lanitra dia mivavaha

Manana faharetana re e!

Ny Tompo tsy manary ka dia mitrakà

Manana faharetana re e!

Ho tanteraka foana izay nokasaina

Manana faharetana re e!

Izay manao ny marina tsy miala maina

Manana faharetana re e!



Na sarotra aza re ny zava-midona ô!ô!

Tano ka ifikiro ny finoana ô!ô!

O!O! Izay manam-paharetana no ho vonjena

Manana faharetana re e!

Izay mino an’I Jesosy mbola manantena

Manana faharetana re e!

Aoka hisy vokany re izay atao

Manana faharetana re e!

Ny kivikivy foana re mba ialao

Manana faharetana re e!







RAKAZY

Rodorodo 2003


Partager manana faharetana amin'ny atao

Commenter manana faharetana amin'ny atao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite