4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy tsy ho faty - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Tsy misy  tsy ho faty

Ny velona rehetra

Nefa kosa tsy ho tanty

Ny tsy manana mpitsetra



Ny maty mahavita soa

Tsy mba maty ireny akory

Tena sambatra tokoa

Tsy mba maty fa matory



Ny fahafatesan’ny tantely

No tena faka ho modely

Ka na dia maty aza izy

Mamela mamy ho an’ankizy



Ny maty mahavita soa

Tsy mba maty ireny akory

Tena sambatra tokoa

Tsy mba maty fa matory



Ka aoka mba hifamela

Raha mbola velona eto an-tany

Mampalahelo, mahonena

Raha tsy mba misy mpitomany



Tsarovy raha mbola eto

Fa ady sarotra tokoa

Ranomaso mampisento

Ka aoka isika hifanasoa



Ny fahafatesan’ny tantely...





Tonony sy feony:RAKAZY

Partager tsy misy tsy ho faty

Commenter tsy misy tsy ho faty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite