4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanaka adala - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Manao azafady kely aminao

Aza-fady aho ry Ikaky sy Neny

Fa mba misy kely resaka atao

Ka aza-fady no voalohan-teny

Aza tsiny mananatranatra anareo

Aza tsiny aho ry zoky sy zandry

Entanin’ny fo feno fitiavana e!

Ka indro tsy tafandry mandry



Tsotra ny tantara

Samia isika,mihaino tsara

ILay zanaka adala

No tianay hambara

Ilay mpaniratsira

No kalokaloina an-kira

ILay tia filibana

Kanjo ratsy fiafarana



Tsy manaja Ray aman-dreny

Fa tsiratsirainy raha mba miteny

Lany andro amin’ny filibana

Manao toetra ratsy sy hadalana

Dia manapatra habibiana

Tsy mijery izay tevana hiviliana

Tsy mitsinjo izay hiafarana

Fa mivenjivenjy eran’ny tanana

Ilay zoky tsy nohenoina

Na ny kibo niraisana tsy tsaroana

Fa namorona saina ratsy

Zarao ny fananao re ry Ikaky



Tsotra ny tantara

Samia isika,mihaino tsara

ILay zanaka adala

No tianay hambara

Ilay mpaniratsira

No kalokaloina an-kira

ILay tia filibana

Kanjo ratsy fiafarana



Dia nalaina ary ireo harena

Nefa tsy ho entina aiza akory anie ireo

Fa dia lasa nirenireny

Nozaraina ary izato vola

Nanasana ireo sakaiza marobe

Dia lasa nandeha nidola

Namokisana naman-dratsy

Tsy nitoto ary tsy nitsitsy izay fanana

Farany lany vatsy

Nitranga ary izato olana

NIatahan’ireo sakaiza nitokiana

Ka henjana re ny tolona

Niketriketrika ny ati-doha

Tsy nandeha tamim-piheverana ianao

Ny hiafarany tsy maintsy voa

Koa inona ity nanjo

Lany hevitra ,lany tetika hatao

Ka nihinana hanin-kisoa





Ilay mpaniratsira

No kalokaloina an-kira

ILay tia filibana

Kanjo ratsy fiafarana



Tena kivy aho ry namako

Raha mahita anao

Tena very hevitra aho

Ka tsy hitako ny atao

Inona loatra re

ity nahazo anao

No nivarilavo

Tahaka an’izao

Ny fiainanao ilay tsara fahiny

Nopotehinao ankehitriny

Ianao ilay tena niadana taloha

Nanjary miara-mandry amin’ny kisoa

Fa ilay zokinao ary

Bolangina sy tsara ery

Modia sombinaina ô!

Ilay zokinao ary

Bolangina sy tsara ery

K’aza malaina ô!



Dia nanapa-kevitra Randriamatoa

Fa hody amin’Ikaky sy Neny

Nahatsiaro ihany ilay fandriana mafana

Ka nody mba ho any an-tanàna

Hody amin’Ikaky izaho

Hody izao maraina

Hody amin’ny Neny izaho

Hody izaho maraina

Ilaozako ny hadalana ô!

Hody izaho maraina



Hifona amin’Ikaky izaho

Hody izao maraina

Hifona amin’Izoky izaho

Hody izaho maraina

Hody any an-tanàna ô!

Hody izaho maraina



O!zoky e! ô zandry e!

Henoy ihany re ireo Ray aman-dreny miteny

O!zoky e! ô zandry e!

Fa tsipaky ny omby mahavoa mahafaty anie ireny

Tandremo ny ditra sy ny hadalana zokiko ô!

Ialao re ny fingan’ny lala-malama zandriko ô!



Namako ô! havako ô!

Ireo tsy mba mety hanarina tsy mba manaiky hatoro

Namako ô! havako ô!

Ireny no latsaka anatin’ny tevana mamono

Tandremo ny ditra sy ny hadalana zokiko ô!

Ialao re ny fingan’ny lala-malama zandriko ô!



                               RAKAZY

                   Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

                   FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO


Partager zanaka adala

Commenter zanaka adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite