4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tano ny fahamarinana - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Raha kivin’ny fiainana manahirana ianao

Ny miala amin’ny toetran’ny fahamasinana aza atao

Fa manary tena mankany an-kady tsotra izao

Izay miala amin’ny marina ka manao ’zay tsy fanao



Ireo torolalana izay nomena antsika e!

Na kapoka izany na fananarana

Aza atositosika na odina tsy hita e!

Raiso dia tano ho fampianarana

ka hoy aho hoe:



Isan’andininy:

Aza miala amin’ny fahamarinana

Tano mafy ny fahamasinana

Izay tsy mitandrina no voafingana

Ilaozan’ny Tompo ka ho sahirana

Aza miala amin’ny fahamarinana

Tano mafy ny fahamasinana

Ireo no tanjona hamikirana

Tsy ho tratry ny nenina any aoriana

Ho sambatra ianao ô!

Raha toa ka miaina amim-pahamarinana

Hiadana ianao ô!

Raha toa ka mitana ny fahamasinana.



Ireo fitsapana nomeny antsika be dia be

Tsy fankahalana na hoe ankaso henoy ange

Fitiavan-kanitsy ny lalana tsy maintsy aleha

Fa zanany isika tsy foiny ho very foana re!



Kapoka ve mba ho azo tsy maharary?

Zanaka tiana matoa anarina

Raha ts’isy mpiteny anie isika zaza sary

Raha lavo tsy manana ’zay mpanarina

Ka hoy aho hoe:



Aza miala...



RAKAZY

RODORODO 2006

Partager tano ny fahamarinana

Commenter tano ny fahamarinana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite