4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy - Romule

Tsy misy, tsy misy ny tanteraka

Fa aina mety ho reraka sy hanam-pahalovana

’Ty nofo, ’ty nofonao mijoro

Ary mbola hikoro ety am-pandalovana



Tsy misy, tsy misy ny tanteraka

Fa aina mety ho reraka sy mareforefo

Ny rehetra miaina, na ny miferin’aina

Na ny mpanefoefo



Tsy misy tsy ho resy rehefa injay hisesy

Ilay Rafahafatesana

Fa gogogogo foana no henonao hiraona

Ts’isy hifandrenesana

Koa saino dieny izao izay zavatra azo atao

Ho tsangam-bato velona

Ho lovan’ireo fara hipetraka ho tantaran’ny

Maha-olombelona


Partager tsy misy

Commenter tsy misy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite