4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ireo fahagola - Romule

Nahantona irony valiha, hadino ny kalom-pitia

Lasa haingon-trano tsy fidiny re izy e!

Ny lokanga sy jejo voatavo, mihafihafy sy miazoazo

Natakalo ny an’ny hafa zalahy izy e!



Raha kalokalo ombam-betsovetso no hany mba tadiavinao

Tsy misy anenenana ny an’ny ntaolo ka aoka tsy ho hadinonao e!

Henoy ange izany talahony mandrotsirotsy anao

(Feon-kira)

Eny e!(4fois) Asa izany ry lahy e!



Natory ny hira fahiny, ’reo vakoka tsy misy tsiny

Sento miserana sisa no hany mba re

Ny dihin’ireo fahagola, latsi-tànana arahan’angola

Zara raha misy mitsinjaka re izy e!



Raha kalokalo ...



Nankaiza ny fomba fitafy tena ravaky ny malagasy

Nosoloina ny haingo marevaka re izy e!

Novàna ny fomba fiteny, nafangaro vazaha izy ireny

Zara raha misy tadidy tokoa izy e!



Kanefa tsarovy f’ireo razantsika tsy nianatra fa nanan-tsaina

Nitàna ireo fomba tsy misy tomika, ka tsy azonao ambakambakaina e!

Aoka ry lahy tsy ho lotolotoina ireo lova navelany ho antsika

Sao lahy ho foana ny mahagasy antsika e!

Fa ny taranako ho lasa safiotra e!

Eny e!(12fois) Asa izany ry lahy e!



Tonony sy feony: Romule Rabarivola

Arrangement: Harry

Partager ireo fahagola

Commenter ireo fahagola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite