4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainako - Romule

Isan’alina aho mazàna mila tsy hahita tory
Raha mitodika mangina ‘rony lalana nombàna
Be ny andro vao nodiaviko ary indrindra fa ny hoaviko
Sy ny lasana rehetra nampitsetra
Eo aho vao mitadidy irony mamy sy mangidy
Nihatra tamin’ny nofo sy fanahy mahaolombelona ahy

Fa fiainako ireny nefa izay antsipirihany
Sy ny mombamomba azy niniako tsy asiana teny
Fa ny zava-noraiketiny anjarako matoa nentiny
Ataoko antoky ny hoaviko, tsy laviko
Fa fiainako izany tsy ikambanako aman’olona
Eny fiainako manokana, ahy samirery ihany

Romule

Partager fiainako

Commenter fiainako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite