4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nankaiza - Romule

Nankaiza ny tompon-tanàna

No rava ilay nahatamàna

Ka vero sy alan’apanga

No indreo fa manangasanga

Toa haolo, mangina ilay vohitra

Ka zary toa fonenan-tsorohitra

Ny trano mikoa sy mivava

Ny tafony koa dia indreo fa miharava



Indrisy fa rindrina sisa

Mijoro toa mamisavisa

Ny andro navalon’ny taona

Antsoin-tsy manoina ka eny misaona

Partager nankaiza

Commenter nankaiza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite