4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ao ihany ve ? - Romule

Ao ihany ve ’reo hira mamy hatrizay

No havela hangina ny taloha

Misy mba mikolo ve ny orimbatonay

Sa hirodana ka zary ho lo



Misy anefa ireo ’zay mitahiry hatram’izao

Ny voahary tena soa

Ka zary fahatsiarovana ho ahy sy ho anao

Vita sikotra ao am-po tokoa



Hendratra ny saina mahatsiahy

’Rony hirahira mamintsika

Ngolingoly foana ny fanahy

Mitanisa ny andro paradisa



Velon-tsento, te hikalo sesilany

Nefa tsy afaka fa mbola mitomany

Mora taitra loatra ny ankaso

hany ka mamafa ranomaso



Ao ihany ve ’reo hira mamy hatrizay

No havela hangina ny taloha

Misy mba mikolo ve ny orimbatonay

Sa hirodana ka zary ho lo



Misy anefa ireo ’zay mitahiry hatram’izao

Ny voahary tena soa

Ka zary fahatsiarovana ho ahy sy ho anao

Vita sikotra ao am-po tokoa ...

Partager ao ihany ve ?

Commenter ao ihany ve ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite