4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noho ireo sombinaina ! - Romule

Tsy handrebireby anao

Raha nivily ka namangy

Amin’ny andro harivariva

Manontany vaovao

Sanatria tsy hisangisangy

Na tonga koa hanivaiva



Tsy hamboraka fitia

Na hitantara koa ny amiko

Fa mitandro fihavanana

Isika moa nisara-dia

Nefa maminao sy mamiko

’Reo zaza iaraha-mànana



Efa ho herintaona mantsy

No nisarahan-tsika toerana

Noho ny antony efa fantatra

Isika akory tsy olon-dratsy

Na tsy nisy fiheverana

Fa ny lahatra ankamantatra



Fa nandalo dia nahita

Ny efitranonao nivoha

Mbola misy hazavana

Ela tsy nifankahita

Sanatria tsy hilanja loha

Fa mitondra fiarahabana



Ny momba ireo zanantsika

’Zay mipetraka aminao

Moa ve, moa ve salama tsara ?

Satria moa ny amintsika

Dia efa fantatro sy ianao

Fa nivalona ho tantara



Henoko fa toa hoe

Manahirana indraindray

Amin’ny hantahantakeliny

Nefa atao ahoana re !

Fa mahaiza manafay

Hahazoany ny tanteliny



Fantatro fa tianao loatra

Izy telo mianadahy

Ka tsy sahinao tenenina

Amin’ny ditra tafahoatra

Nefa mba lazao ahy

Sao mba misy ny ala-nenina



’Lay sekoly vaovao

’Zay vao namindranao azy

Moa ve mba arany ihany ?

Satria mantsy fantatrao

Io tsy atao vazivazy

Fa antoky ny hiafarany



Raha ny fiainanao indray

Aza tantarainao ahy

F’efa hita izao fa tsara

Ny ahy koa dia tahak’izay

Tsy dia misy mampanahy

Fa dia mizotra soa aman-tsara



’Lay mpampianatra ny ankizy

Efa notiavinao

Dia efa fantatro ny aminy

Tia anao tanteraka izy

Ka aza ataonao kilalao

Ny fanasoavanao ny akaniny



Tsy ho lava resaka aho

Fa izay no anton-dia

Ny andro koa, ny andro ity mandroso ho alina

Raha misy aizina mitraho

Mahaiza re mifankatia

Ary aoka hisaina lalina



Tsy nandrebireby anao

Raha nivily ka namangy

Fa nadio ny fo sy saina

Nanontany vaovao

Ary tsy tafandry mandry

"NOHO IREO SOMBINAINA"

Partager noho ireo sombinaina !

Commenter noho ireo sombinaina !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite