4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia vita voady - Romule sy Pauline RABEHASY

(duo lahy sy vavy)



Ny fitia, fitia vita voady, mandra-maty ho doria

Sanatria tsy ankoso-bolamena fa mamiratra jerena

Bararata noladinim-bahy ka mifaningotra hatrany

fa fitia hiaraka eto an-tany na ho tsiky na tomany



Ny fitia, fitia vita voady, volamena vita sedra

Dina vita sikotra ao anaty, tsy mba taitran-drendrarendra

Voin-tenan\\’izay tsy tia, te handrava hankahala

fa fitia, fitia ho doria, tsy mahataho-mpanadala



          Na ho sarotra aza re ny dia, ny hiova sanatria

          Na ho semba....ho semban-drahona aza

          nofy izay ho lefy laza

          Mafy orina ny anay, ho doria mandrakizay

          Ka ny fa...ny fasana no fetra amin\\’ny andronay rehetra

Partager fitia vita voady

Commenter fitia vita voady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule sy Pauline RABEHASY