4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry ampitso - Romule



Ry ampitso mifono ny zava-tsy fantatra

Hivimbina sento sa fitserana ho ahy ?

Satriko ianao tsy hatao ankamantatra é

Fa ndrao mafy loatra ny vetsom-panahy.



    Ry ampitso mitondra ny tsiambaratelo

    Ambarambarao re fa aza anafenana

    Hafaliana sa embona mamelovelo

    No hokoboninao ambany elatrao.



Ny tenako torovana ny fiainana eto

Ifampitoloman’ny andro sy ny alina

Ny saiko dia vizana mivetsovetso

Misedra ny faran’ny habaka lalina

Eny ry ampitso natao ianteherana

Mba misy fetra ihany ve itony fitserana.



Ny tenako...

Partager ry ampitso

Commenter ry ampitso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite