4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Banjino ny ho avy - Romule

BANJINO NY HO AVY



Mandalo ny fotoana ka aza dia variana (2) milalao

Fa araraoty ihany raha mbola misy koa ny azonao atao

Mahaiza misafidy ary mandraisa adidy

Fenoy fifaliana ny fonao tsy hangina

Kanefa izao tsarovy banjino ny ho avy

Ahaizanao mamboatra izay ho diavinao

Tsy ahalavo anao



Marobe tokoa ireo namanao variana mbola milalao

Miravo sy mandihy ka tsy tsaroany izay tokony atao

Tsy tsapan’izy ireny ny andro maha-ory

Tsy maintsy ho lalaovana raha mbola eto an-tany

Ka samy velon’aina



Koa adinao ny mampahatsiahy ’reo namanao variana ireo

Hibanjina ny ho avy ka handray anjara dieny izao

Fa mihelina ny andro mandalo koa ny ora

K’aza mangatak’andro fa sao ianao voakora

K’ataovy dieny izao izay tokony atao

Tsy hanenenanao



ROMULE (1992)

Partager banjino ny ho avy

Commenter banjino ny ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite