4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia vita voady - Romule

Ny fitia, fitia vita voady, mandra-maty ho doria

Sanatria, tsy ankoso-bolamena; ka mamiratra jerena

Bararata noladinim-bahy, ka mifaningotra hatrany

Samy tia, ka hiaraka eto an-tany; na ho tsiky na tomany



Na ho sarotra aza re ny dia; ny hiova sanatria

Na ho sembatsemban-drahona aza, nofy izay ho lefy laza

Mafy orina ny anay, ho doria mandrakizay

Ka ny fasana no fetra, amin’ny andronay rehetra



Ny fitia, fitia vita voady; volamena vita sedra

Dina vita sikotra ato anaty, tsy mba taitran-drendrarendra

Voin-tenan’izay tsy tia, te handrava hankahala

Fa fitia, fitia ho doria; tsy mataho-panadala











Feony, tonony: Rabarivola Romule

Mihira: Romule sy Julie

1959


Partager fitia vita voady

Commenter fitia vita voady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite