4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lalam-piainana - Romule

Misy indraindray feo miritsoka

Ao anaty ka mahasondriana

Bitsibitsika iva fa manditsoka

Ny ao am-po mihira fifaliana



Misy koa mazàna sentosentom-po

Tsy miloatra ka mahatorovana

Mampamolivoly zany saina ao an-doha

Ary mila ahafadiranovana



Maro be tokoa ’reo fitsapàna

Miandry anao eny an-dàlana ombàna

Atanjaho ny herin-tsaina

Ary aza mitaraina

Fa herezo ny dia

Ho azonao izay antenaina

Ny ho kivy na halaina

Dia ataovinao ho sanatria



Tonony: Romule

Feony: Harry

Arrangement: Harry

Partager lalam-piainana

Commenter lalam-piainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite