4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko - Romule

1- Embonembona sendra nandalo

Sy tsiahy niserana ihany

No nitambatra ho kalokalo

Handrotsiana ny fo izay tomany

Eritreritra mitambolombolina

Ventsoventso t’anatin’ny fo

Sentosento tsy azo tazonina

No mirongatra sy toa mifoha



2- Tononkalo mihira fitiavana

Tsindrimandry tsy hay nofintinina

No kaloiko ho anao re Rahavana

Ventsom-po tsy mba azo nofihinina

Fa mba mila fitia

Hiara-tsambatra sy hifangia

Hanalavitra irony tomany.



Ref:

Satriko raha ianao zay nofinidiko

No hitantana hatrany izany diako

Ka ho lovasoa sarobidiko

Sy hiantok’izay ho fifaliako

Eny satriko tokoa raha azo atao

Ny hiaraka hikalo aminao

Hirahiram-pitia tsisy fetra

Amin’ny andro hiainana rehetra.



Romule

Partager satriko

Commenter satriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite