4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fandaharana - Romule

Sainonao ange isika vao nifankatia.

Nioty voninkazo natao hoe tsy halazo,

Nilokaloka ny ho doria.

Natao nisy ireny ho fitsapana ihany,

Fa saingy tsy ankiteny, tsy nolazaina antsika,

Ka toy ny nofy ihany.

Tofoka ianao, niantso tody koa angamba.

Izaho kosa anefa nahatsapa tamin’izay

F’izay no fandaharana.



Mionona f’aza mba misaina akory

Izay fiainana efa vita.

Raha toa, raha toa manorisory,

Miondreha, hodio tsy hita.

Aoka anefa ho fantatrao fa ny eto

Dia mandalo sady tsy ilaozan-tsento,

Ka ny hany azonao atao, mionona ihany,

Fa izay no fiainana eto an-tany.



Fantatro ianao fa efa nionon-tsaina,

Nahay nanadino ireo sorisory maro

Niainantsika hatrizay.

Ireny rehetra ireny, niserana avokoa.

Tsy maintsy misy fetra, ka aoka tsy hitsetra

’Reo andronao taloha.

Nionona ianao, izao nahay nitsara tena.

Niara-niaiky isika hatrizay ka hatrizao

F’izay no fandaharana.

Partager fandaharana

Commenter fandaharana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite