4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy tompo o! - HANITRA NENTIN-DRAZANA

       Ref:Jesosy Tompo ô! ampio izahay

           Hanasoa ilay tanindrazanay

           Hitana tsy ho very ilay firaisankina

           Mba hanasoa ireo taranaka any aoriana

           Tsofy rano sy arovy izahay

           Hanandratra ilay Hanitra entin-drazanay



Tany iray izay tena maminay indrindra

Mitahiry ilay firaisan-kina

Atoroko anao ka mba hevero tsara

I Gasikara no tianay hambara



Ny mponina ao dia ireo Malagasy

Tsy misy miady na mifandrafirafy

Mifankatia ny avy anindrana sy anivo

Fa olona iray no ao ka mba tsahivo



Malagasy ô! aiza ianao?

Koloy tsara ilay hanitra entin-drazanao

Aza atakalo ny an’ireo vahiny

Fa ny antsika tsy mbola misy tsiny



                   Tonony sy feony:RAKAZY

               Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

               FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO


Partager jesosy tompo o!

Commenter jesosy tompo o!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite