4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zovy moa ianao - Romule

ZOVY MOA IANAO



Zovy loatra moa ianao ry olon’iny izay miserana?

Fa ny endrikao tsy afaka ao an-tsaiko ao

Izany bikanao nofisiko alin-dava izao

Zavozavo ihany anefa

No nahitako anao niserana iny

Ka ny vetsom-poko no misolo tena ahy

Manontany hoe: moa zovy moa ianao?



Raha ny momba ahy anefa

Mbola tsy azonao fantarina

Raha tsy ohatra angaha ka efa

Nolazaiko anao ny marina



Raha izany ary moa nahoana

No dia mbola iandrasana fotoana

Manontany isan’andro izao

Mba zovy loatra zovy moa ianao



Raha toa ka tsy ho tsiny / Ambarao re ry olon’iny

Manontany anao ny foko ka aoka ho valiana

Ianao ve ilay nofisiko mangina

Sasa-miandry anao foana

Nefa ianao tsy hita manoloana

Satriko tokoa ny hiara-dalana aminao

Ka valio mba zovy moa ianao



Romule (1964)

Partager zovy moa ianao

Commenter zovy moa ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Romule

Suite