4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hazofijaliana - FEFI

A/C: Sacha Ratianarivoson



Mahavariana, itony Hazofijaliana

Fa maharary sy tena mampijaly

Kanefa dia ilaina, tsy maintsy koa lanjaina

Ho fitoniana izany fo fanahy sy saina



Raha vao jerena dia tena mahonena

Fa teo ny Tompo no maty voahombo

Tsy voavidim-bola, na koa sandain-karena

Fa aina tokana mihitsy no nomena



Midera anao ry hazo be ankaso

Tsy maintsy apetraka atao talaky maso

Banjinina isan’andro, isan’andro isan’andro

Mba hampangoraka tokoa izany fo



Ataoko eto ,eto ambozonako eto

Hifanakaiky amin’ny fo mitempo

Fa mahasoa tokoa hatramin’ny taloha

Satria tsy miova ho doria Jesosy tia

Partager hazofijaliana

Commenter hazofijaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite