4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditsoka - FEFI

1. Ho anao ry mpanjeny amin’izao andro izao

Toa ny minia mikipy tsy mety ho lao

Ka mihevitra fa ny fahaizanao

No ahazoanao miaina toy izao

Tsarovy fa tany anie ity diavintsika ity

Ndrao potraka ianao ho very ety

Manodoka mambabo toa fatratra ery

Ireo rehaka sy rendrarendram-pitia

Firy moa no voageja sy mihitsoka

Ka ny maso no to ditsoka

2. Raha mba nampianarina ihany taloha

F’efa maty ho anao ‘lay Jeso Tomposoa

Maneke f’aza de manamafy fo

Sao manombo ny Tompo indroa

Rehefa injay ny fonaov fa mangorakoraka

Any amin’i Jeso miantoraka

Aborahy aminy ny heloka vitanao

Aza mba misy afenina ny Tomponao

Miondreha eo an-tongony ianao

F’izy no hampitraka anao

3. Raha tsaroana mandondona ao am-ponao

‘Lay fanahin’ny Tompo te-honina ao

Dia fantaro avy hatrany fa tiany ianao

Saingy ny ota natao ibebaho

Mitady anao fatratra fa tsy tiany ho sasatra

Amin’ny fahoriana ianao

Mbola manambitamby hatramin’izao

Tsy mba foiny ho very izaho sy ianao

Indro izy fa manolo-tanana anao

Atolory azy izany fonao

Partager ditsoka

Commenter ditsoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite