4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza ho aiza ny lanitra - FEFI

1- Aiza ho aiza ny lanitra ianao ô ry olona o

Mbola hiondrika eto ihany va izato ianao

Mba andrandrao ny masonao

Jereo fa ho hitanao, miandry fatratra Andriamanitra

Miandry Andriamanitra

Ka moa  ve avelanao hangahiahy ilay Tomponao

Hialoka eo antratrany eo ianao

fa zanany malalany, tsy foiny sy maminy

mba hanjakan’ny fitiavany



Ref: Olo-maro no efa sambatra

Sambatra ao an-danitra

Mankalaza sy mihira hoe

Voninahitra ho An’Andriamanitra



2- Efa azonao sary an-tsaina ve izao ny dia

Efa mba manasa-dalana ve sa dia sanatria

Lalan-kafa no naleha, nihaino ihany fa tsy nandre

Ny didy sy ny hafatry ny Tomponao manao hoe

Andeha efao ny adidinao, torio izao tontolo izao

Fa efa mby akaiky anie ny fanjakana lehibe

Izay hitsara ny asany, na soa na ratsy vitany

Ianao no voatrendry ho solom-bavany



Ref...



A/C: Sacha Ratianarivoson

Partager aiza ho aiza ny lanitra

Commenter aiza ho aiza ny lanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite