4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hirahira - FEFI

Hirahira, no endrey asandratray

Hiderana ilay Mpamonjy Tokana avy tamin-dRay

He fihirana, tononkiram-panahy

Vokatry ny teny mamy notovozina hatrizay



Tomponay, Mpanjakanay, no derainay mandrakizay

Jesosy tia, ilay efa tia, rehefa tia, dia tena tia



Raha ny fikasanay ry Ray

Dia hitoetra mandrakizay

Ao an-tranonao tokoa, feno zava-tsoa

Ka hifankahita ao indray, izay tianao

Hihaona amin-dRay,

Fa Ianao no efa nialoha

Namboatra toerana ho anay!



Haleloia, Hosana, ho Anao

Pa-rapam pam rapam,

Haleloia, Hosana, ho Anao

Natao mba ho sakafom-panahy



Tonony sy feony: Sacha Ratianarivoson

Partager hirahira

Commenter hirahira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite