4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiverina aminao - FEFI

Hiverina aminao aho ry Raiko,

Ilay trotraky ny ota natao,

Matoky ny fo sy ny saiko,

Fa tsy mba ho lavinao,



Indro atolotro, ho anao tokoa,

Izany tenako, miaraka amin’ireo alotoako,

Sakambino sy fihino, amin’ny sandrinao,

Mba hialoka ambany elatrao



Variana sy tena sondriana,

Tamin’ny hanina mety lo,

Tsapako raha nanao jery kiana,

Ka manenina mafy tokoa,



Izao ry raiko no ato antsaiko,

Borahiko Aminao,

Ka valio re raha mba misy azonao atao,

Mba sasao ny ranao ireo ota vitako, izay manefitra ahy Aminao,



Hatramin’izao mino aho fa navelanao Ray,

Hiara hitoetra Aminao mandrakizay,

Sambatra aho tretrika aho,

Satria fantatro fa efa namindranao fo,



Hatramin’izao mino aho fa navelanao Ray,

Hiara hitoetra Aminao mandrakizay,

Sambatra aho tretrika aho,

Satria fantatro fa efa namindranao fo (2),

Partager hiverina aminao

Commenter hiverina aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite