4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambanitany - Fefiloha

AMBANITANY (FEFILOHA-PSYKOPASY)



KOLT

Falifaly ery ny bandy mahita ny zoky mandiha smurf sy break

Ny mpokina miravoravo amin’ny black or white

Za kosa etsy ery, miventy adaladala  kilebo le lavabo any Benny b



PASY

kolontsaina ny bandy tamin’izany  suspect

Kofa rehetra nitady perfect

Tsy nisy nanana eritreritra ny hi perce

Hiphop tanana naka lokolokony states

Ambanitany purs fa tsy commerce



K

tsy andriko mihintsy izay hatongavana eny Andohalo

Hijerevako ny bandy akama mi live amin’ny up the rap

Raha nirapy koa joba tamin’izany Coms sy Lady

Nahafapo ana ny rapy tamin’izany



P

Tamin’izany, nasiaka ny tontolo, tamin’izany

Ny rap hardcore, Us jacks, Mahora, J prince, CB4

Raiso gadranika, mc,N boss, Nnc, Master hit, sy ny Wb34 poussy



K

Hetsika rapy gasy vitsivitsy ny tena izy tamin’izany

Azoko isaina tamin’ny rantsan-tanana ny isan’ny crew sy ny poussy

Aleoko tamin’izany nisongadina ny Kivamidona, Donaka,Radical poussy

Dj Mister T



P

Marina izany ! nahatsiro izy tamin’ireny

Tsara loatra ny hiphop ! tsy mbola nivarobary

Izay kopi ihany no kopy, hoan’ny bandy izy tsy lamaody

Fa melodie, ny figadony medameda no mampihetsika ny lohan’ny kofa



K

Eny hoa ! na vitams ara tamin’izany mbola tsy nitosaka

Hotrany rano amin’ny pompy

Ny hitsaka sy ny mbala, mbola vitan’ny black top

Ny baba raha tsy diso koa ahy mbola vitany tsaky pop



CHORUS

Henoy : tsitahita lava, cagoule amin’ny tava

Mpilalao eny an-tanimbary fa tsy mpiakatra kianja

Tsy mpanangona olona hotrany Jesosy Mamonjy

Ny hafatra alefa hoan’ny kofa mbola mihidy anaty fonja



K

Ankehitriny, malahelo ahy raha toa ka

Ny hiphop no misy manoso potaka

Tsy Harlem, tsy Californie, tsy Paris fa Ampefitety ny aty

Tsy tiako mitsy rehefa misy miteniteny hoe Ampefitety ny ary



P

Ankehitriny, malahelo ahy fa ny pera lavitra loatra ny fototra

Ny onjam-peo koa efa tototra

Vitsy nefa ny matotra, kofa samy miharitra, kofa samy somokotra

Nefa kobo ihany hoe iza no mitazona azy tsy ho votitra



K

All time suspect ny mpanao hiphop

Etiquette eny amin’ny mbala mpangaro posy

Rimorimo ny commerce mila sosy

Amin’ny tonina  ny ricks no tsy ampy bosy

Impiry moa tony no tenenina hoe

Anaty rapy tsy mila mila mi cross



P

Aleoko ihany man miezaka mandamina

Raha tsisy tohana ela fanina

Raha tsy ampy tohana ela dia mitohana

Hapetraka hoe ny varotra no vahaolana

Sao kosa miha bobaka ny rapy torovohana



K

Mangetaheta fivelarana ny mpokina

Ka ho entina amin’ny sosy ve ny rapy sa ny mokina

Ny fibetrobetroka  no andeha hialana vokina

Raha iza itony miverina manabokina

Raha mila sosy tombiny



P

Kofa ny varotra tsy mpanara-drenirano

Hotran’ny apondra

Matetika mifanosina amin’ny olona mpilongolongo

Amin’ny rapy tsy  mitady vola nefa io miroborobo

Nefan’io tsy heno matetika hotrany vazon’i Bodo



K

Omeo tsiny arany ahy, raha hoe clipko iray monja

Sa hoe tsy poinsa raha tsy mifindrafindra hotran’i Mafonja

Mino ela ahy fotsiny ihany fa ny patalohako mitondra

Aza mitapitapy aty sao dia voatoraky ny kilonja



P

Vanin-potoana ny fivoarana izao

Ny ankehitriny tsy toy ny taloha

Miha fona ny tamboho, miparitadritaka ny crew

Nefa tsara kokoa, nefa ny akama tsy tia hiala amin’ny ambanitany

Fa ny ankoatrany izay mbay tany





K

Mapalahelo hotran’ny mpanao politika miady seza etsy Ambotsirohitra

Ny fiodin’ny moov eto an-dRenivohitra

Mapalahelo ny hiphop fa lasa tohatra

Ny mc vitsivitsy ihany no mahasahy manohatra



CHORUS

Henoy : tsitahita lava, cagoule amin’ny tava

Mpilalao eny an-tanimbary fa tsy mpiakatra kianja

Tsy mpanangona olona hotrany Jesosy Mamonjy

Ny hafatra alefa hoan’ny kofa mbola mihidy anaty fonja



K

Adalany izay mitonatona any

Fa efa kobo hoe diso ny lalana mankany

Big ambanitany tazomy mafy ny any

Fa tsy manary ny lalana mankany

Tsy mila be filoriny izany



P

Marina izany ! raha toa izy tsy tamana fa misafidy te ho any  

teneno izy hoe fitaka ny lalana mankany

Sao malemy, fa malama maina ny tany

Tsy ilaina loatra ny mitraotra fa ny taona no hitsara any zany



Ambanitany, ambanitany, ambanitany !!!!




Partager ambanitany

Commenter ambanitany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fefiloha