4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Indro ny famonjena - FEFI

Indro, indro ny famonjena

Te-hibaliaka eto amintsika hiahy ny firenena

Zovy, zovy no tsy handre

Ny teny tsara ‘zay manambara fitiavan-dehibe



Indro miposaka eto ‘zao ny mazava

‘lay aizim-be taloha indro fa nisava

ampy mizara izany tarany

ka isam-baravarana samy mahazo ny anjarany





fitiavan-tsy vidiana na hoe sandaina vola

kanefa ialana liana, fitia tsy mety tola

ny lahitokany aza nataony sorona

koa dia nahoana no tsy handray ianao tolorana





Jesoa nanetry tena, tonga hisolo voina

sy mba ho famonjena, ‘reo mody tsy manohina

ho anao no nihaviany, nisolo heloka

ny hitoetra eo aminao no iriny, ho manda aronao




Partager indro ny famonjena

Commenter indro ny famonjena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite