4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitsapana - FEFI



1 – Tsy maintsy mandalo fitsapana avokoa

Zay rehetra te hanara-dia an’i Jeso

Ka ampisedrainy irony zava-tsarotra

Zay vao isainy ho olona voavotra

2 – Tsy maintsy atao ao anaty memy

Fa tsy azo mora anie ny famonjeny

Halalany marina na tena miorina

Reto olo-marobe Zay mitangorona

3 – Tsy maintsy mitondra ny hazo fijaliana

Fa nateraka hiatri-pahoriana

Ny olona nantsoiny sy efa nofinidiny

Mba handà ny tenany sy ny safidiny

4 – Tsy maintsy mandova lanitra ny farany

Hasambarana no voatendry ho anjarany

Koa mahareta re ry mpihazakazaka

Fa ny tompo anie ka toky tsy mamitaka

Fiv. Ka dia matokia (matokia), dia matokia (matokia fa)

Fa Jesosy anie rehefa tia de tena tia ahy

Ireo tsora-kazo zay nataony aminao

Hananganany anao ho olom-baovao

Partager fitsapana

Commenter fitsapana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite