4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsinontsinona - FEFI



1 – Tsinontsinona tokoa, raha ity nofo ity

Fa hiraradraraka ho vovoka fa satria

Volavolan-tany anie no niandohana

Ka lavenona no hiafarana

Mampisento isan’andro izay miseho

Mampikaika sy mampitoreo

Mangoraka ny fo noho ny ratsy natao

Tompo ô, inty aho ampibebaho

2 – Raha ny teny efa re no natao tao an-doha

Olo-marobe tokoa no efa niova fo

Saingy nofo ihany moa raha izao isika izao

Mora reraka ka sahy nandao

Ny fitiavan’Andriamanitra

No nivoaka ny lanitra

Mba ho avotra ho ahy, famonjena ho anao

Sambatra isika raha tsapanao



3 – Ny toloko izay nanjo nampamoy fo

Saingy nisy feo malefaka nandona ny loha

Nampisinda ny alahelo izay nampikoa

Ka nanaitra izany tena hifoha

Ny ho avy rehetra Jesosy tia

Dia atokako ho Anao ho doria

Na ny aiko na ny saiko izay avy aminao

Tena foiko hanompoko Anao

Partager tsinontsinona

Commenter tsinontsinona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite