4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atafio ahy ny hery - FEFI



Mba henoy! Ry Tompo Ny senton’ny foko

Fa asandratro Ho eny aminao

Fa tsaroako Fa feno toloko

Ny fiainako raha Tsapako lavitra Anao



Mba tazony ho eo aminao Raiko Tia

Raha tojo ny ady sarotra ety

Atafio ahy ny hery, raha sendra irery

Ndrao aho, miherika indray



Efa hatramin’ny ela, Ianao no namela

Ny mpanota, mahantra tety

Saingy mafy ny foko, toa zary tsy ahoako

Ny fitiavanao ahy Raiko tia



Inty aho, manaiky ka amindrao fo

Mba atsory, ny tànanao ry Jesoa

Atafio ahy ny hery, raha sendra irery

Manaiky hiara dia aminao



SACHA F Ratianarivoson.

Partager atafio ahy ny hery

Commenter atafio ahy ny hery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite