4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Borahiko - FEFI

        BORAHIKO



1-  Borahiko eo aminao Tompo ô!  

     Ny hetaheta ao anatiko ao     

     Tery mafy aho ka hiantoraka aminao

     Sao mba misy re azonao hatao

         Hoy Hianao : ” Izay manatona Ahy ”

        “ Tsy mba nisy na iray nolàviko ”  

        “ Na mpanota tena raindahy ”

        “ Tiako ho trotroina eo an-tratrako “  



    2- Moa ve hataonao ho tsiniko  

        Raha miondrika eto an-tongotrao

        Ho lazaiko anao ary dia ambarako

        Fa mandifotra tokoa ny otako

             Hoy Hianao ...



  3- Tsy ahoako akory ny henatra

       Raha toa  hivolana  aminao

       Voageja mafy aho Ka mila Anao

       Hanafaka ahy amin’izao ora izao

             Hoy Hianao ...



  4- Tsapako ankehitriny Ray

       Renao ny sento sy ahiahy

       Antenaiko Tompo Inoako fatratra

       Fa ho foana hatreo ‘zay nampijaly ahy

            Hoy Hianao...      



            Pasteur Sacha "NEPM-FPVM La Réunion"            

Partager borahiko

Commenter borahiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite