4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy irery - FEFI

1 – Jesosy irery no fiarovanao

Izy no andry mahatohana

Izy tsarovana raha torovana

Noho ny hasomparana mianjady ety

Jeso no miaro ny mpino maro

Aoka tsy ho ketraka mihitsy ianao

2 – Jesosy irery no mpanavotrao

Antsika very voafatotra

Nahafoy ny tenany nahafoy ny rany

Noho ny fitiavana tsy tapitra

Jesosy Tompo nietry ho mpanompo

Ka ny mpianany no sakaizany

3 – Jesosy irery no mba ekeo

Mpamonjy tokana nahaloa-peo

Aza matahotra aza miahotra

Fa izaho dia izaho no momba anareo

Jeso lalaiko fototry ny aiko

Izy no isaorako mandrakizay

Partager jesosy irery

Commenter jesosy irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite