4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho avy - Erick Manana

Mbola ho avy ny andro hahatsiarovanao ahy
Amin'ny ora tsy ampoizimpozina,
Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy
Hembona ahy ianao ka hiodinkodina;

Mbola ho avy ê irony nenina ê
Hitsako ny hadalànao, hangidy izay telina ê
Mbola ho avy ê, hangifiry be
Efa tsinjoko hatrety sahady fa ho ranomaso be

Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao
Ireo dinantsika izay kosehinao
Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerimbolanao
Hohitanao ihany izany ngidiny a

Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie
Fony aho nilaozanao anie ka nahatsiaro fanina ê
Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie
Mbola higoka ianao ny ngidin'ny ranomaso nateliko ê.

Partager mbola ho avy

Commenter mbola ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite