4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona no mahaory ? - Erick Manana

Ny salegin’ny any avaratra any

Mahorakoraka, salanitra o

Mifalihavanja ery ka faly tsy misy mitomany

Mifankatia re ka sambatsambatra o



Ref.

    Ka inona e ? (3)

    Inona no mahaory antsika rô

    Tsy handrandrana fihavanana

    Soloy hira sy lamozika

    Ny adim-poko tsy nanambina

    Ka inona no mahaory antsika rô

    Tsy hifankatia tsy hifampitantana

    Efa ela loatra ity tanintsika

    No nitaky fiombonana



Ny tsapikin’ny any atsimo any

Mandihindihy mbamin’ny ranomasina

Velon-tsinjaka avokoa, mitorajofo itony tany

Mitrombatromba am-pitiavana


Partager inona no mahaory ?

Commenter inona no mahaory ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite