4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aody rasoabakobako - Erick Manana

Sahirana mafy tokoa zany foko Rasoabakobako o

Sahirana mafy tsy nilaozan-tsento izy anie tato ho ato

Nihodin-kavia, nihodin-kavanana, doubla sento

Mba toroy lalana ity zandry lahy fa ndrao rendrika eto



Ka aody, ka aody, ka aody, ka aody Rasoabakobako o

Omeo fanafody, vonjeo fa manavy ity foko mikatso

Ka aody, ka aody Rasoabakobako izay mahitahita e

Fa sady miangavy re no mitalaho, ka iza no izy e



I Lisy ka maontina sady olon-tsotra no sarin’anjely

I Vero sariaka no tsara fanahy, manan-toetra modely

Ny mamparikoditra, samy tsy foiko anie izy roa o

Ny iray masoandro, ny iray diavolana, iza no soa o



Ka aody, ka aody, ka aody, ka aody Rasoabakobako o

Omeo fanafody, ity foko mikatso, ity foko mikatso

Ka aody ka aody Rasoabakobako izay mahitahita e

Fa sady miangavy re no mitalaho ka iza no izy e

Partager aody rasoabakobako

Commenter aody rasoabakobako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite